Zoma 27 aogositra 2032

Zoma Faharaika amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 85, 1-3

Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin'ny tena hasambarana ny fonay eto anivon'itý fiainana miovaova itý.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Kôr. 1, 17-25

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Mitory an'i Kristy voafantsika izahay: fanafintohinana ho an'ny olona, saingy fahendrena ho an'izay voaantson'Andriamanitra. »

Ry kristianina havana, tsy ny hanao batemy no nanirahan'i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin'ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan'izany ny Hazofijalian'i Kristy. Fa hadalana ny fampianarana ny amin'ny Hazofijaliana ho an'izay very, ary herin'Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, satria voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry; ary holaviko ny fahaizan'ny mahay. Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr'izao tontolo izao? Tsy nahariharin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? Fa noho ny fahendren'Andriamanitra, dia tsy nahalala an'Andriamanitra ny fahendren'izao tontolo izao, ka dia ny hadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjena izay mino. Fa ny Jody mila famantarana, ny Jentily mitady fahendrena, ary izahay kosa mitory an'i Kristy voafantsika tamin'ny Hazofijaliana. Fanafintohinana amin'ny Jody izany, ary fahadalana amin'ny Jentily; fa i Kristy herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra kosa amin'izay voaantso, na Jody na Jentily. Fa izay toa fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'ny olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'ny olombelona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 32, 1-2. 4-5. 10ab sy 11
Fiv.: Ny hatsaram-pon'ny Tompo manerana ny tany.

Hobio ny Tompo, ry olo-marina: dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy! Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany; ny hatsaram-pon'ny Tompo manerana ny tany.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan'ny firenena, sy manafoana ny fikasan'ny vahoaka. Ny fanampoizan'ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan'ny fony, amin'ny taranaka mifandimby.

Aleloia. Aleloia.
Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'Olona.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 25, 1-13
« Intý tamy ny mpampakatra mandehàna mitsena azy ianareo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin'ny mpianany nanao hoe: “Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin'izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika; fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin'ny fitoeran-tsolika. Ary noho ny fahelan'ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Kômonio Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon'ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon'ny olombelona.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.