Alarobia 19 mey 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin'ny teninay na amin'ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy nosoratan'i Md. Jakôba Apôstôly
Ry kristianina havana, ny aminareo izay manao hoe: Hankany Ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herintaona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra: kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo; fa inona moa ny ainareo? Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray. Koa izao no tokony hatao: Raha sitra-pon'Andriamanitra, ka velona ny aina, dia hanao izao, na izany izahay. Fa izao dia mirehareha amin'ny fahasahianareo ianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka.
Mandrenesa, ry vahoaka rehetra;
mihainoa, ry mponina eran-tany:
na ny kely na ny lehibe,
na ny manana na ny malahelo.
Inona moa no atahorako amin'ny andro fahoriana,
raha temerin'ny mpisompatra mandoza,
izay mitoky amin'ny hareny,
sy mibohy amin'ny fananany be?
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 9, 37-39Tamin'izany andro izany, niteny tamin'i Jesoa i Joany nanao hoe: “Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin'ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay.” Fa hoy i Jesoa: “Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin'ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.”
Fankalazana ny Eokaristia
Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin'izao mistery izao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.