Talata 18 mey 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin'ny teninay na amin'ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy nosoratan'i Md. Jakôba Apôstôly
Ry kristianina havana, avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy avy amin'ny filan-dratsinareo izay miady ao anatin'ny nofonareo va? Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady ianareo; ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo; mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan'ny filan-dratsinareo, ka tsy mahazo ianareo. Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon'Andriamanitra. Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain'ny Soratra Masina hoe: Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy izay nampitoerina ao anatinareo? Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain'ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena. Koa maneke an'Andriamanitra ianareo, ary manohera ny demony, dia handositra anareo izy. Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina. Fantatro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania. Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo, ary hody alahelo ny hafalianareo. Manetre tena eo anatrehan'Andriamanitra, dia hanandratra anareo Izy.
Raha izay hono aho no mba ary elatra toa voromailala hisidinana hitadiavana toerana, dia indro ho nandositra any lavitra, ka ho nonina any an'efitra.
Ho dodona hamonjy fialofana amin'ny tafioka sy ny rivo-doza! Akorokoroy, ry Tompo, saratsaraho ny fiteniny!
An-keriny sy ady no hitako ao an-tanàna; voasangodina andro aman'alina ny manda.
Miankîna amin'ny Tompo, fa hanohana anao Izy. Izy na oviana na oviana tsy hamela ny olo-marina hivaona!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 9, 29-36Tamin'izany andro izany, namaky an'i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, ary tsy tian'i Jesoa ho fantatr'olona izany, fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: “Hatolotra eo an-tanan'ny olombelona ny Zanak'Olona, dia hovonoiny, fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian'ny hahafatesany.” Tsy fantatr'izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa. Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: “Inona izany niadianareo hevitra tany an-dalana izany?” Fa tsy niteny tsy nivolana izy, satria ny amin'izay ho lehibe indrindra amin'izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana. Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: “Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon'ny olona rehetra.” Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany; sy nofihininy, ary hoy Izy tamin'ny mpianany hoe: “Na iza na iza handray anankiray amin'ny zazakely toy itony amin'ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.
Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin'izao mistery izao.