Alakamisy 28 novambra 2030

Alakamisy Fahaefatra amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 84, 9

Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apôk. 18, 1-2. 21-23 ; 19, 1-3. 9a

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

« Rava i Babilôna lehibe. »

Hitako izaho Joany, nidina avy any an-danitra itý Anjely nanam-pahefana lehibe, sy nanazava ny tany tamin'ny voninahiny. Niantso tamin'ny feo mahery izy, nanao hoe: “Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan'ny demony, sy fitoeran'ny fanahy maloto rehetra ary fieren'ny vorona maloto halan'ny olona rehetra!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Fiv.: Sambatra izay nasaina ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry.

Fo falifaly anompoana ny Tompo, tongava eo aminy mihira miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra: fa Azy isika satria noarìny sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra, ny ao an-kianjany idiro amin-dera. Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo, fa mandrakizay ny fitiavany antsika. Amin'ny taona rehetra ny fahamarinany.

Aleloia. Aleloia.
Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 21, 20-28
« Nohitsakitsahin'ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon'ny andron'ny Jentily. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Rahefa hitanareo voahodidin'ny miaramila i Jerosalema, dia fantaro amin'izany fa efa antomotra ny fandravana azy, ka amin'izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra, izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany, ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony, satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan'izay rehetra voasoratra. Loza ho an'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany, ary ho mafy ny hatezeran'Andriamanitra amin'itý firenena itý: haringana amin'ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin'ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin'ny Jentily i Jerosalema mandrapahafenon'ny andron'ny Jentily. Hisy famantarana koa eny amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an'izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin'ny lanitra. Dia ho hita amin'izay ny Zanak'Olona avy any ambonin'ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.