Alarobia 27 novambra 2030

Alarobia Fahaefatra amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 84, 9

Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apôk. 15, 1-4

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

« Nohirain'izy ireo ny hiran'i Môizy sy ny hiran'ny Zanak'ondry. »

Izaho Joany nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra, dia anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin'ireo no hanaperana ny fahatezeran'Andriamanitra. Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho; ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan'ny anarany, no nitsangana teo amoron'io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp'Andriamanitra. Ny hiran'i Môizy mpanompon'Andriamanitra sy ny hiran'ny Zanak'Ondry no nohirain'izy ireo, ka hoy izy: “Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan'ny taona mandrakizay! Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra satria niseho miharihary ny fitsaranao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 97, 1. 2-3ab. 7-8. 9
Fiv.: Lehibe sady mahatalanjona ny asanao, ry Tompo Andriamanitra heni-pahefana.

Ihirao hira vao ny Tompo: fa nahavita zava-mahagaga! Namonjy Azy ny tanany havanana, nanampy Azy ny sandriny masina!
Ny Tompo nanambara ny famonjeny, sy naneho ny fahamarinany tamin'ireo firenena! Tsarovy, ry Tranon'i Israely, ny hatsaram-po sy fahamarinany!
Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy, izao rehetra izao sy izay monina ao aminy! Ny ony aoka hiteha-tanana; ny vohitra indray hanakora!
Mba hitsena ny Tompo izay tamy! Fa tamy Izy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Aleloia. Aleloia.
Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 21, 12-19
« Ho halan'ny olona rehetra ianareo; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin'ny lohanareo aza. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Hosamborina ianareo, hoenjehina, hoentina any amin'ny sinagôga sy any an-tranomaizina, ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo. Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon'ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin'ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin'ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.