Talata 08 oktobra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra eo amin'ny habakabaka; Ianao no Tompon'izao tontolo izao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon'ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin'izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin'ny fivavahana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Galasia
Ry kristianina havana, efa renareo ihany ny toetrako fony aho mbola nanaraka ny fivavahan'ny Jody, fa nanenjika fatratra ny Eglizin'Andriamanitra sy nandrava azy aho; ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jody mihoatra noho ny maro indray nihira tamiko teo amin'ny fireneko aho, sady fatra-pitàna ny lovan-tsofina avy amin'ny razako. Nefa, nony sitrak'Andriamanitra ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin'ny fahasoavany, ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny Jentily, niaraka tamin'izay, dia tsy naka hevitra tamin'ny nofo aman-dra aho na niakatra tany Jerosalema ho any amin'ny Apôstôly talohako akory, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damasa indray. Efa telo taona tatý aorian'izany, vao niakatra hamangy an'i Piera tany Jerosalema aho, sy nitoetra tao aminy tapa-bolana. Fa ny Apôstôly sasany, dia tsy nisy hitako afa-tsy i Jakôba rahalahin'ny Tompo ihany. Izao zavatra lazaiko soratako aminareo izao anie, dia lazaiko marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa tsy mandainga aho! Taorian'izany, dia nankany amin'ny faritanin'i Siria sy Silisia aho. Tsy mbola nisy nahita tava ahy akory ny Eglizy rehetra tany Jodea ao amin'i Kristy; fa vao ny lazako fotsiny no reny hoe: Ilay nanenjika antsika fahiny, dia indro ankehitriny, mitory ny finoana notadiaviny hofoanana taloha. Ka dia ny mankalaza an'Andriamanitra noho ny amiko no nataony.
Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra! Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro! Voadinikao aho na mamindra na miato, ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ianao no nahary tongotra aman-tanana ahy, sy Mpiaro ahy hatrany an-kibon'i neny. Midera Anao aho fa mahatalanjona itý Ianao! Eny, mampitolagaga ny asanao.
Fantatrao hatrizay ny fanahiko; tsy niafina taminao ny tenako, fony izaho niforona tao amin'ny miafina, sy nitenona tamim-pahakingana tao anatin'ny tany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 10, 38-42Tamin'izany andro izany, i Jesoa dia niditra tamin'ny vohitra anankiray, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony. Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan'ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; fa i Marta kosa sahirana tamin'ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: “Tompoko, tsy mampaninona Anao va ny amelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy.” Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.
Tsara fo ny Tompo ho an'izay miantehitra aminy, ho an'ny fanahy mikatsaka Azy.
Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin'Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.