Alatsinainy 07 oktobra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra eo amin'ny habakabaka; Ianao no Tompon'izao tontolo izao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon'ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin'izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin'ny fivavahana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Galasia
Ry kristianina havana, gaga aho raha dia mivadika faingana toy izany ianareo, ka ilay niantso anareo ho amin'ny fahasoavan'i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray. Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin'i Kristy ihany no tadiavin'ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorìnay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.
Izaho midera ny Tompo amin'ny foko tontolo am-pivorian'ny olo-marina sy am-piangonam-be! Lehibe ny Asan'ny Tompo mampisaina izay rehetra tia Azy.
Rariny sy hitsiny ny Asan'ny Tanany; mahatoky avokoa ny lahany: mafy orina mandrakizay alaovalo, vita amim-pahamarinana sy hitsiny.
Nandefa fanavotana tamin'ny vahoakany Izy, sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. Masina sy mahatahotra ny Anarany. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 10, 25-37Tamin'izany andro izany, nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an'i Jesoa, ka nanao taminy hoe: “Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?” Ary namaly izy ka nanao hoe: “Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.
Tsara fo ny Tompo ho an'izay miantehitra aminy, ho an'ny fanahy mikatsaka Azy.
Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin'Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.