Asabotsy 05 oktobra 2030

Asabotsy Fahaenina amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Dan 3, 31. 29. 30. 43. 42

Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jôb. 42, 1-3. 5-6. 12-17

Bokin'i Jôba

« Ny masoko ankehitriny efa nahita Anao, koa dia manameloka ny tenako aho sy manenina. »

Namaly ny tenin'ny Tompo i Jôba ka nanao hoe: “Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho Anao. Iza moa izato manamaizina ny fandaharan'Andriamanitra tsy amim-pahalalana? Eny, niteny tsy amim-pahalalana tokoa aho, ny amin'ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro! Mihainoa fa hiteny aho, hanadina Anao aho, ka valio. Ny sofiko taloha efa nandre filazana Anao, fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita Anao. Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin'ny vovoka sy ny lavenona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 66 sy 71. 75 sy 91. 125 sy 130
Fiv.: Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao!

Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana fa izaho matoky ny baikonao! Soa ho ahy ny nomenao fijaliana, mba hianarako ny fitsipikao!
Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny fitsaranao: ara-pahamarinana no ampahorianao ahy! Noho ny fitsaranao dia maharitra mandraka androany ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Mpanomponao aho ka mba omeo fahalalana, hahafantarako ny fanambarànao! Vavahady mazava ny teninao, sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra.

Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny fanjakanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 10, 17-24
« Noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio. »

Tamin'izany andro izany, dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: “Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin'ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Kômonio Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.