Zoma 04 oktobra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jôba
Ny Tompo namaly an'i Jôba tao anatin'ny tafio-drivotra ka nanao hoe: “Mba efa nandidy ny maraina va ianao hatrizay niainanao? Moa nanondro ny fitoerany tamin'ny mazava atsinanana, mba handraisany ny tany amin'ny sisiny, sy hanintsanany ny ratsy fanahy hiala eo, mba hananan'ny tany endrika toy ny tanimanga voatombo-kase, ary hisehoany voaravaka toy ny manao fanamiana; mba tsy hananan'ny mpanao ratsy ny fahazavany; ary hotapahina ny sandry efa voaainga hanao ratsy? Mba efa nidina tany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, sy efa nitsangantsangana tany amin'ny fanambanin'ny hantsana va ianao? Efa nisokatra teo anatrehanao va ny vavahadin'ny fahafatesana sy efa hitanao va ny varavaran'ny fonenana manjombona? Efa takatrao va ny halalahan'ny tany? Lazao raha mahalala izany rehetra izany ianao? Aiza ny lalana mankany amin'ny fonenan'ny mazava, ary aiza ny fitoeran'ny maizina? Hainao samborina va izy eny amin'ny taniny? Fantatrao va ny lalana eny amin'ny fonenany? Fantatrao tokoa mantsy izany a, fa ianao efa teraka talohan'izany ary efa maro manao ahoana ny isan'ny andronao?” Fa namaly ny Tompo i Jôba nanao hoe: “Inona moa no havaliko Anao izay izaho tsinontsinona itý? fa dia mitampim-bava aho. Efa niteny indray mandeha ka tsy hamaly intsony, efa indroa aza, ka tsy hanampy aho, na dia kely aza.”
Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra! Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro! Voadinikao aho na mamindra na miato; ny lalako tsy misy manavao Anao.
Aiza no hialako amin'ny Fofon'ainao? Aiza no handosirako tsy ho anoloanao? Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao; mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao!
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho, mba honina any am-paran'ny ranomasina, mbola ny tananao no mitondra ahy any, eny: ny tananao no mitantana!
Ianao no nahary tongotra aman-tanana, sy Mpiaro hatrany an-kibon'i neny. Midera Anao aho fa mahatalanjona itý Ianao! Eny, mampitolagaga ny asanao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 10, 13-16Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: “Loza ho anao, ry Kôrôzaïna, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidôna ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin'ny akanjo malailay sy tamin'ny lavenona. Noho izany, amin'ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin'i Tira sy Sidôna noho ny aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma izay misondrotra hanakatra ny lanitra dia haetry hatrany amin'ny afobe ianao. Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.