Alatsinainy 09 septambra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry Kristianina havana, re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atý aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin'ny jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy! Izany ve ka ianareo indray no miavonavona e! ny tenanareo tsy malahelo amin'izany akory; ilay nanao izany tsy nesorinareo tsy ho eo aminareo koa! Izaho, na dia tsy teo aminareo ara-batana aza, dia teo am-panahy, sy efa nitsara sahady an'ilay nanao izany zavatra izany, toy ny teo aminareo ihany. Koa amin'ny Anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo, omban'ny herin'i Jesoa Tompontsika: dia aoka izany olona izany hatolotra an'i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin'ny andron'ny Tompo. Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erý! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarinina manontolo? Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo, satria efa voavono i Kristy, izay Paka ho antsika. Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin'ny lalivay ela, na amin'ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin'ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.
Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao; ny olon-dratsy tsy monina ao aminao; ny adala tsy mijoro eo anoloan'ny masonao; ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.
Ny mpiteny lainga levoninao; ny tia ra, ny mpamitaka, halan'ny Tompo!
Izay rehetra mifefy aminao kosa, hifaly; izay arovanao, hihoby mandrakizay. Eny, hiravo aminao izay tia ny Anaranao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 6, 6-11Indray sabata hafa koa i Jesoa, dia niditra tao amin'ny sinagôga, ka nampianatra, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo. Tamin'izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin'ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy. Fa fantatr'i Jesoa kosa ny hevitr'izy ireo, ka hoy Izy tamin'ilay maty tanana: “Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.” Dia nitsangana ilay io ka nijoro, ary hoy i Jesoa tamin'izy ireo: “Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin'ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?” Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo ka hoy Izy tamin-dralehilahy: “Ahinjiro ny tananao.” Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany. Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko amin'izay hanaovany an'i Jesoa.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.
Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!
Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.