Alahady 08 septambra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
TIA TSY MANAVAKA NY TOMPO
Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo, tamy ny famaliana, famalian'Andriamanitra, Tenany no avy, dia hamonjy anareo. Amin'izay dia hahiratra ny mason'ny jamba, halady ny sofin'ny marenina. Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan'ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an'efitra; ary sakeli-drano eny amin'ny tany lemaka lava volo. Ny tany hay hanjary farihy, ary ny tany mangetana ho loharano.
Ny Tompo mitandrina mandrakizay ny fahamarinana sy manome rariny ireo ampahoriana. Ilay manome sakafo ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba, Tompo mampitràka ny miondrika. Tompo mpiaro ny vahiny, tohan'ny kamboty sy ny tokan-tena.
Tompo tia ny olo-marina, fa ny olon-dratsy aviliviliny. Manjaka ny Tompo amin'ny taona mifandimby, ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!
Taratasin'i Md. Jakôba Apôstôly
Ry kristianina havana, aza asiana fizahantavan'olona ny finoana an'i Jesoa Kristy Tompontsika be voninahitra. Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin'ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy saro-bidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana, ka ilay mitafy saro-bidy no jerenareo sy ataonareo hoe: “Mipetraha ianao eto amin'ny toerana aloha”; fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe: “Mitsangàna ery”, na “mipetraha eto amin'ny fitoeran-tongotro”; moa tsy miangatra va ianareo amin'izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra? Henoy ange, ry kristianina havako malala: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia Azy?
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 7, 31-37Tamin'izany andro izany, i Jesoa niala tany amin'ny faritanin'i Tira, ary namaky ny faritanin'i Sidôna ka tonga tany amoron'ny ranomasin'i Galilea, amin'ny faritanin'i Dekapôly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin'izy ireo teo aminy sy nangatahiny mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin'ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Raha efa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: “Efetà!”, izany hoe, “misokafa!” Niaraka tamin'izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran'ny lelany, ka niteny tsara izy. Ary noraràny ny olona tsy hilazalaza izany na amin'iza na amin'iza; fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: “Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana”.
Ry kristianina havana, ireo vahoaka nanaraka an'i Jesoa tany Palestina dia nihoby ny heriny sy ny hatsaram-pony tamin'ireo nijaly izay novonjeny; ary isika kosa entanim-pinoana sy matoky ny fitiavany, koa asondroty ny fontsika hiangavy Azy, hanafaka ny fahoriantsika sy ny an'izao tontolo izao.
Tompo ô, matetika izahay no manentsin-tadîny amin'ny antsonao, ary resin-tahotra na menatra, ka tsy mahatondra ny hafatrao; koa mandalova ety aminay toy ny nataonao fahiny, ary sitrano izahay, marenina sy moana ara-panahy.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao Avo Indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!
Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.