Alarobia 14 aogositra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Niantso mafy teo an-tsofiko ny Tompo nanao hoe: “Manatòna ianareo, mpiambina ny tanàna; samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tanany avy.” Ka indreo, avy tamin'ny lalan'ny vavahady ambony mitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan'izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan'ny mpanoratra, teo amin'ny fehin-kibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan'ny ôtely varahina. Ary ny voninahitry ny Andriamanitr'i Israely, niakatra avy teo ambonin'ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran'ny trano. Ary ny Tompo niantso an'ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika sy nitondra fombam-panoratana teo amin'ny fehin-kibony, ka hoy ny Tompo taminy hoe: “Mandehàna mamaky ny tanàna, mamaky an'i Jerosalema, ka asio marika 'Thau' ny handrin'ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.” Dia hoy koa Izy tamin'iretsy sasany, teo an-tsofiko: “Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, ianareo, ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo ianareo. Na anti-dahy, na zazalahy na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny 'Thau' ao aminy kosa aza hatoninareo. Ary eo amin'ny fitoerako masina manomboka.”
Derao, ry mpanompon'ny Tompo! Derao ny Anaran'ny Tompo! Tsarovy ny Anaran'ny Tompo, na izao na ho mandrakizay!
Tongava marain-tsy hariva hidera ny Anaran'ny Tompo; ambonin'ireo firenena ny lazany avo dia avo!
Moa misy mitovy amin'ny Tompo? Ny Tompo mitoetra any ambony. Ka miondrika Izy mijery na Lanitra izany na tany!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 18, 15-20Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy; ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon'ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin'ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina. Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin'ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin'ny tany, dia ho voavaha any an-danitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin'ny tany, na inona na inona angatahiny dia ho azony avy amin'ny Raiko izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza iangonan'ny olona roa na telo amin'ny Anarako, dia eo afovoany Aho.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.
Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.