Talata 13 aogositra 2030

Talata Fahasivy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 73, 20. 19. 22. 23

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Ezek. 2, 8 — 3, 4

Bokin'i Ezekiela Mpaminany

« Hano io taratasy io. Dia nohaniko izany, ka mamy ohatra ny tantely izy tao am-bavako. »

Hoy ny Tompo tamiko: “Ary ianao, ry zanak'olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.” Dia nojereko, ka indro nisy tanana natsotra nankaty amiko, ary indro fa nitana horonan-taratasy. Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaorana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo. Hoy Izy tamiko: “Ry zanak'olona, hano io hitanao eo anoloanao io; hano io taratasy io, dia mandehana miteny amin'ny taranak'i Israely.” Nosokafako ny vavako, dia nafahany ahy io taratasy io; ka hoy Izy tamiko: “Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy itý taratasy atolotro anao itý ny tsinainao.” Dia nohaniko izany, ka mamy hoatra ny tantely izy tao am-bavako. Ary hoy Izy tamiko: “Ry zanak'olona, mandehana mankany amin'ny taranak'i Israely, ary lazao aminy ny teniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 14 sy 24. 72 sy 103. 111 sy 131.
Fiv.: Endrey, mamin'ny lanilaniko ny didinao.

Ny lalan'ny fanambarànao no ifaliako, mihoatra noho ny harena rehetra. Ny fanambarànao no firavoako; ny fitsipikao no filàko saina.
Soa ho ahy ny lalàna avy amin'ny vavanao, mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo! Endrey! mamin'ny lanilaniko ny didinao, ary tsara amin'ny vavako manoatra ny tantely.
Ny fanambarànao no lovako, ry Ilay mandrakizay: izy no fifalifalian'ny foko! Misokatra ny vavako: miemponempona aho; ny baikonao no mahaliana ahy.

Aleloia. Aleloia.
Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin'i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin'ny alalan'i Kristy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 18, 1-5. 10. 12-14
« Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin'ireny madinika ireny aza. »

Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: “Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra?” Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy: “Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory. Koa amin'izany, na iza na iza hanetry tena tahaka itý zazakely itý, dia izy no lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka itý amin'ny Anarako, dia mandray Ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin'ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin'izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin'ny Raiko izay any an-danitra. Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian'ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia anankiray amin'ireo madinika ireo aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Kômonio Sal. 30, 17-18

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.