Zoma 09 aogositra 2030

Zoma Fahavalo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 69, 2. 6

Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!

Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Nahom. 2, 1. 3 ; 3, 1-3. 6-7

Bokin'i Nahoma Mpaminany

« Loza ho an'ny tanànan'ny mpandatsa-dra. »

Indro, eny an-tendrombohitra, ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly, izay manambara fiadanana. Ankalazao ny fetinao, ry Jodà, efao ny voadinao! Fa tsy handalo eo aminao intsony izy; efa levona mihitsy ny ratsy fanahy. Fa ny Tompo nampody ny voninahitr'i Jakôba? mbamin'ny voninahitr'i Israely, satria norobain'ny mpandroba izy sady nosimbany ny fotoboalobony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo: Det. 32, 35b-36a. 39abde. 41
Fiv.: Izaho no mamono sy mamelona.

Antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy. Fa homen'ny Tompo rariny ny vahoakany, ary noho ny mpanompony dia hanenina Izy.
Jereo amin'izao, fa Izaho, dia Izaho ihany no izy; ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko; Izaho no mahafaty sy mahavelona; Izaho no naharatra, ary Izaho koa no hahasitrana.
Rahefa hanasa ny sabatro manelatselatra sy handray ny fitsarana ny tanako, dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko, ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.

Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 16, 24-28
« Inona no homen'ny olona ho takalon'ny fanahiny? »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin'ny mpianany nanao hoe: “Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny fanahiny? Fa ny Zanak'Olona dia ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ny anjeliny, ka amin'izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak'Olona avy amin'ny fanjakany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Kômonio Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.