Alakamisy 08 aogositra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!
Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jeremia Mpaminany
Indro avy ny andro, — teny marin'ny Tompo —, hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'i Israely sy ny taranak'i Jodà: ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin'ny razany, tamin'ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta, fanekena nivadihan'izy ireo, na dia vadiny aza Aho. Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'i Israely, rahefa afaka izany andro izany, — teny marin'ny Tompo —: Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr'izy ireo aho, ary izy ireo ho oloko. Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: “Mahalalà ny Tompo!” Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe. Satria havelako ny haratsian'izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Fo madio vaovao no angatahiko sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alana aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko dia tolory fanahy tena mendrika. Ny mpanota hotoroako lalana, aminao no tsy maintsy hiverenany.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra, toy izany ireo sorona dorana. Ny fanahy torotoro, ry Tompoko, io no sorona tianao hatolotro.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 16, 13-23Tamin'izany andro izany, tonga tany amin'ny faritanin'i Sezarean'i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: “Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'Olona?” Ary hoy ireo: “Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin'ny mpaminany.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?” Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: “Ianao no Kristy Zanak'Andriamanitra velona.” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Sambatra ianao, ry Simôna zanak'i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra.” Ary tamin'izay dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin'ny olona, fa Izy no Kristy. Hatramin'izay vao noborahin'i Jesoa tamin'ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hoampijalian'ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.
Fankalazana ny Eokaristia
Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.
Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.
Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.