Alatsinainy 08 jolay 2030

Alatsinainy Fahaefatra ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 47, 10-11

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Os. 2, 16. 17b. 18. 21-22

Bokin'i Osea Mpaminany

« Hofofoiko mba ho ahy mandrakizay ianao. »

Izao no lazain'ny Tompo: Indro Aho hitarika azy sy hitondra azy any an'efitra, ary hiteny aminy ao am-pony; ka any izy hamaly toy ny tamin'ny andro fahatanorany, sy toy ny tamin'ny andro niakarany avy any amin'ny tany Ejipta. Amin'izany andro izany — teny marin'ny Tompo —, ianao hiantso Ahy hoe: “Vadiko”, fa tsy hiantso Ahy intsony hoe: “Baalako.” Hofofoiko mba ho Ahy mandrakizay ianao; hofofoiko ho Ahy ianao amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fahasoavana sy ny fitiavana; hofofoiko ho Ahy amin'ny fahamarinana, ka hahalala ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 144, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9
Fiv.: Antra sy mangoraka ny Tompo.

Misaotra Anao isan'andro aho, sy midera ny Anaranao mandrakizay! Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra; tsy azo takarina ny halehibeny!
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao, sy mankalaza ny asanao mahery, manambara ny harevaky ny voninahitrao, mitantara ny asanao mahagaga.
Miteny ny herinao mahatahotra, mitanisa tokoa ny halehibeazanao, miventy ny fahatsiarovana ny hatsaranao lehibe, ary mihoby ny fahamarinanao!
Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsara amin'ny olon-drehetra ny Tompo; mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 9, 18-26
« Maty vao izao ny zanako vavy ka tongava Ianao dia ho velona izy. »

Tamin'izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa, dia indro nisy lehiben'ny sinagôga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe: “Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tananao aminy, dia ho velona izy.” Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin'ny mpianany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Kômonio Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.