Alahady 07 jolay 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
NA OSA AZA ISIKA, EO I KRISTY HO HERINTSIKA
Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny Tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.
Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Tamin'izany andro izany, dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy, ka nandre ny Tompo niteny tamiko aho. Hoy Izy tamiko: “Ry zanak'olona, indro ianao irahiko, ho any amin'ny zanak'i Israely, ho any amin'ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko, fa efa nanota tamiko, mandrak'androany aza, ireo sy ny razany. Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo, no anirahako anao. Izao no holazainao aminy: Izao no tenin'ny Tompo Andriamanitra. Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, — fa taranaka mpiodina izy — dia hahalala fa misy Mpaminany eo aminy”.
Any aminao ny masoko no andraiko, ry Ilay mitoetra any an-danitra! Indro toy ny mason'ny ankizy lahy eny amin'ny tanan'ny tompolahiny,
Toy ny mason'ny ankizy vavy eny amin'ny tanan'ny tompovaviny: ny masonay any amin'ny Tompo Andriamanitray miandry fiantràna avy aminy!
Eny, iantrao izahay, ry Tompo ô, iantrao fa voky eso loatra, efa leon'ny tebaky ny tretrika, efa tofoky ny eson'ny mpiavona!
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, fandrao mirehareha noho ny halehiben'ireo fanambaràna aho, dia nasiana tsilo tao amin'ny nofoko, dia anjelin'i Satàna hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako. Ny amin'io dia intelo aho no nangataka tamin'ny Tompo, mba hanalany an'io amiko, fa izao no navaliny ahy: “Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin'ny fahalemena indrindra no iamparan'ny heriko”. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko. Izany no ifaliako amin'ny fahalemeko, amin'ny fahafaham-baràka, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 6, 1-6Tamin'izany andro izany i Jesoa nankany amin'ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany. Ary rehefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin'ny sinagôga Izy, ka be tamin'izay nihaino Azy no gaga tamin'ny fampianarany sy nanao hoe: “Taiza no nahazoan'Izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan'ny tanany izany asa lehibe izany? Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, rahalahin'i Jakôba sy i Jôsefa ary i Joda sy i Simôna? Moa tsy aty amintsika va ny anabaviny?” Dia tafintohina taminy izy ireo. Fa hoy i Jesoa taminy: “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin'ny taniny sy amin'ny fianakaviany ary amin'ny havany ihany”. Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin'ny fametrahan-tanana, ary gaga Izy noho ny tsy finoan'ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy sy ny mpianany.
Ry kristianina havana, ny marina ankehitriny vitsy mpiraharaha, ary ny finoantsika mila hihozongozona; koa miaraha mangataka amin'Andriamanitra mba hohamafisiny ny finoantsika, ary mba hanirahany iraka maro sy be herim-po hanambara ny hafany amin'ny olombelona ankehitriny.
Ry Jesoa Tompo ô, nisy nanohitra Anao tamin'ireo tokony ho voalohany handray Anao sy hankasitraka Anao; koa ampio izahay tsy ho kivy fa hahery fo mandrakariva, rehefa miresaka Anao sy mampiseho ny Evanjely.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.
Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.