Talata 02 jolay 2030

Talata Fahatelo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Amôsy 3, 1-8 ; 4, 11-12

Bokin'i Amôsy Mpaminany Amôsy

« Efa niteny ny Tompo ka iza no tsy haminany? »

Ry zanak'i Israely, henoy izao teny notononin'ny Tompo ny aminareo izao, sy ny amin'ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, — dia ny teniny manao hoe: Ianareo irery no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany; ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 5, 5-6. 7. 8.
Fiv.: Tompo ô, tariho araka ny fahamarinanao aho.

Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao; ny olon-dratsy tsy monina ao aminao; ny adala tsy mijoro eo anoloan'ny masonao; ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.
Ny mpiteny lainga levoninao; ny tia ra, ny mpamitaka, halan'ny Tompo!
Fa izaho, noho ny hatsaram-ponao lehibe, dia hiditra ny Tranonao, hiankohoka ao an-Tempolinao masina, miaraka amin'ireo mpanoa Anao,

Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 8, 23-27
« Niarina Izy nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niondrana tamin'ny sambo kely ka narahin'ny mpianany. Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin'ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory. Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: “Tompoko, vonjeo izahay, fa maty.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?” Dia niarina Izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: “Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.

Kômonio Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.