Alatsinainy 01 jolay 2030

Alatsinainy Fahatelo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Amôs. 2, 6-10. 13-16

Bokin'i Amôsy Mpaminany

« Irìny mafy ny hahita ny vovo-tany eo an-dohan'ny olona ory. »

Izao no lazain'ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon'i Israely sy noho ny efatra — tsy hahemotro ny didy. Satria namidiny vola ny marina; ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy; satria irìny mafy ny mahita ny vovo-tany eo an-dohan'ny olona ory; sy ataony izay hiketrahan'ny lalan'ny madinika; satria olo-mianaka izy samy mandeha amin'ny zazavavy iray ihany mba handotoany ny Anarako masina; satria lamba azony tamin'ny tsatoka no iamparany eny anilan'ny ôtely rehetra eny; ary ny divay avy tamin'izay nosaziny lamandy no sotroiny ao an-tranon'ny andriamaniny. Teo anoloan'izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreanina izay avo be hoatra ny sedera, sy matanjaka hoatra ny oaka. Noravako avokoa ny voany teny ambony; sy ny fakany teo ambany. Nitondra anareo niakatra avy any amin'ny tany Ejipta anefa Aho, sy nitari-dalana anareo, efapolo taona tany an'efitra, mba hametrahako anareo ho tompon'ny tanin'ny Amôreanina. Indro Aho efa hanosihosy anareo, hoatra ny fanosihosin'ny sarety raha feno amboara. Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra ary ny matanjaka, tsy hahita ny heriny intsony; ary ny mahery fo, tsy hahavonjy ny ainy; ary ny mpahay tsipîka tsy hahatohitra; ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka; ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy. Ary ny mahery fo amin'ny mahery, handositra miboridana amin'izany andro izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 49, 16bd-17. 18-19, 20-21. 22-23
Fiv.: Mahafantara, ry mpanadino an'Andriamanitra!

Ahoana ianao no mitanisa ny didiko, sy manao ny Fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra sy mpanipy ny teniko any ivoho.
Raha sendra mpangalatra dia miombona aminy, sy mivarilena amin'ny mpijangajanga?... Ny vavanao mailaka amin'ny ratsy; ny lelanao fatra-pandrary fitaka.
Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy, sy manoso-potaka ny zana-dreninao?... Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho! Sa Izaho heverinao ho toa anao? Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!
Koa mahafantara, ry mpanadino an'Andriamanitra. Ndrao viraviraiko tsy misy mpanafaka! Izay misorona saotra no hasaiko: ka hohetsahiko amin'ny vonjiko!

Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 8, 18-22
« Manaraha Ahy. »

Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Jesoa ny hamaroan'ny olona nanodidina Azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy. Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: “Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak'Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.” Ary ny anankiray tamin'ny mpianany koa nilaza taminy hoe: “Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”; fa hoy i Jesoa taminy: “Manaraha Ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.

Kômonio Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.