Alahady 27 janoary 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
NY TAREHY RATSY NO TSY AZO OVANA, FA NY TOETRA RATSY AZO OVANA
Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin'ny toerany masina.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin'ny Anaran'ny Zanakao malalanao.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jônasy Mpaminany
Tamin'izany andro izany, dia tonga tamin'i Jônasy ny tenin'ny Tompo nanao hoe: “Mitsangàna ianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao”. Dia nitsangana i Jônasy, ka nankany Niniva, araka ny tenin'ny Tompo. Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, fa lalan-kateloana. Nanomboka niditra tao anatin'ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: “Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!” Nino an'Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra. Nahita ny nataon'izy ireo, sy ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin'ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.
Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy; ny soritrao ampianaro ahy. Ny fahamarinanao itarihana ahy, Ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao izay efa hatramin'ny fahagola. Noho ny fitiavanao, ry Tompo, hadinoy ny otako fahazaza.
Tsara sy mahitsy ny Tompo; ny mpanota toroany lalana, ny ory entiny amin'ny marina, ary ampisehoany ny lalany.
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, izao no hevitro: fohy ny andro, ka amin'izao sisa izao, aoka ny manambady ho toy ny tsy manana; ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik'izao tontolo izao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 1, 14-20Tamin'izany andro izany, rehefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra, ka nanao hoe: “Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”. Nony nandalo teny amoron'ny ranomasin'i Galilea Izy, dia nahita an'i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy: “Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”. Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka Azy. Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an'i Jakôba zanak'i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy, ka nilaozan'izy mirahalahy teo an-tsambokeliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an'i Jesoa izy.
Ry kristianina havana, sarotra ny miaiky fa diso; ary vao mainka sarotra ny miala amin'ny mahazatra; fa tsy vitako, hoy i Md. Paoly, ny tsara izay kendreko. Koa ndeha isika hifampivavaka mba hanampian'Andriamanitra ny ezaka ataontsika, hibebahana sy hanarahana ny antsony.
Ry Tompo Andriamanitra ô, hainao nohazavaina sy nankaherezina ireo Mpaminany sy Apôstôly teo am-panarahana ny antsonao; koa ampio izahay tsy hiamboho adidy, ary hiaiky heloka sy hahafoy ny zavatra rehetra koa, araka izay takin'ny fahamarinanao, sy hahatanteraka ny fihavaozan'ny Eglizin'i Jesoa Kristy Zanakao, Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto, hanamasina anay sy hahavonjy anay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Manatèna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin'ny fanomezanao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.