Asabotsy 26 janoary 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky faharoan'i Samoela
Fiantombohan'ny Boky Faharoan'i Samoela. Nony maty i Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa i Davida ka nipetraka tao Sikelega. Tamin'ny andro fahatelo, intý nisy lehilahy anankiray, avy tany an-toby, avy tany amin'i Saola, ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany, ary nony mby teo amin'i Davida izy dia nidaboka tamin'ny tany, ka niankohoka. Hoy i Davida taminy: “Avy aiza ianao?” Ary hoy ny navaliny azy: “Nandositra avy tany an-tobin'i Israely aho.” Dia hoy i Davida taminy: “Ka nanao ahoana avy? Tantarao amiko kely hoe.” Ary hoy izy: “Nandositra tamin'ny ady ny vahoaka, ka be no nitsingidina sy maty tamin'ny vahoaka, ary maty koa aza i Saola sy i Jônatasy zanany.” Dia noraisin'i Davida ny fitafiany, ka norovitiny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. Nanao ny fombam-pisaonana azy izy ireo, nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan'ny andro, nisaona an'i Saola sy i Jônatasy ary ny olon'ny Tompo sy ny tranon'i Israely, satria lavon-tsabatra izy ireo. Ary i Davida niventy izao hira fisaonana izao: “Moa levona teny amin'ny tamponao va ny famirapiratr'i Israely? Ahoana no nahalavoan'ny mahery? Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony, ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka. Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona. Mitomania an'i Saola, ry zanakavavin'i Israely fa notafiany jaky tao anatin'ny fahafinaretana ianareo; noravahany volamena ny fitafianareo! Ahoana no nahalavoan'ny mahery tany an'ady? Voagorobaka teo amin'ny havoana i Jônatasy! Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jônatasy rahalahiko! Fa ianao ihany no fahafinaretako tanteraka, mamiko noho ny fitiavan'ny vehivavy ny fitiavanao. Ahoana no nahalavoan'ny mahery? Ahoana no nahafatesan'ny mpiady?”
Ry Mpiandry an'i Israely mandrenesa, izay mitondra an'i Jôsefa toy ny ondry. Ry mipetraka eo ambony kerobima, efa Anao ny voninahitra, asehoy. Eo alohan'i Manase sy i Efraima, dia fohazy ny herinao hamonjy anay.
Rahoviana re ianao vao hitony tsy ho tezitra amin'ny sisa izay tavela. Raha ny mofom-pahoriana, dia efa voky, ranomaso no gohinay hatrizay! Fa izahay dia nanjary fanaraby, sy faneson-dry zareo fahavalo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 3, 20-21Tamin'izany andro izany, niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo: “Efa very saina Izy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.
Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.
Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.