Alahady 20 janoary 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
SAMY NANTSOIN'ANDRIAMANITRA TSIRAIRAY ISIKA
Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo Indrindra.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'i Samoela
Tamin'izany andro izany, i Samoela nandry tao an-Tempolin'ny Tompo izay nisy ny fiaran'Andriamanitra; dia nantsoin'ny Tompo i Samoela ka namaly hoe: “Inty aho!” Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Helî, nanao hoe: “Inty aho, fa niantso ahy ianao”. Ary hoy i Helî; “Tsy niantso aho, fa miverena mandry”; Dia lasa izy nandry. Nantsoin'ny Tompo indray i Samoela, ka niarina i Samoela dia nankany amin'i Helî nanao hoe: “Inty aho, fa niantso ahy ianao”. Namaly i Helî hoe: “Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry”. Tsy mbola nahalala ny Tompo i Samoela, satria tsy mbola nanehoana ny tenin'ny Tompo izy. Ary nantsoin'ny Tompo fanintelony indray i Samoela ka niarina, dia nankany amin'i Helî, nanao hoe: “Inty aho, fa niantso ahy ianao”. Fantatr'i Helî tamin'izay fa ny Tompo no niantso ny zaza, ka hoy i Helî tamin'i Samoela: “Mandehana mandry, fa raha misy miantso anao, valio hoe: “Mitenena, ry Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao”. Dia lasa i Samoela nandry tany amin'ny fitoerany. Ary tonga ny Tompo ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha nanao hoe: “Ry Samoela ô! ry Samoela ô!” Dia namaly i Samoela hoe: “Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao”. Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy ny Tompo ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
Niandry ny Tompo aho ka niandry, niondrika Izy, nihaino talaho, hira vao no nataony teo am-bavako, fiderana an'ilay Tompontsika.
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra: ny sofiko manko nosokafanao. Tsy misy ilainao mihitsy izay sorona dorana sy fanonerana;
Ka hoy aho hoe: Inty aho tamy. Voasoratra amin'ny boky ny momba ahy: ny manao ny sitrakao, no mamiko; ny lalànao, ry Tompo, no ato am-poko.
Ny fahamarinanao, ry Tompo, notorîko tamin'ny fiangonana; ny molotro tsy nakomboko: fantatrao tsara izany.
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, ny vatana tsy mba ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo, ho an'ny vatana. Efa nanangan-ko velona ny Tompo Andriamanitra, ka hanangana antsika amin'ny heriny koa. Tsy fantatrareo va fa rantsam-batan'i Kristy ny vatanareo? Ary izay miray amin'ny Tompo dia fanahy iray aminy. Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon'ny olona any ivelan'ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin'ny tenany indrindra. Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin'Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin'ny vatanareo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 1, 35-42Tamin'izany andro izany, teo i Joany sy ny mpianany roa lahy, ka hoy izy nahatazana an'i Jesoa nandalo: “Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra”. Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an'i Jesoa. Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy, dia nanao taminy hoe: “Inona no tadiavinareo?” Ary hoy izy ireo taminy: “Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza Ianao no mitoetra?” Dia hoy Izy taminy: “Avia fa ho hitanareo”. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin'iny andro iny; ary tokony ho tamin'ny ora fahafolo tamin'izay. I Andre rahalahin'i Simôna Piera no anankiray tamin'izy roa lahy izay nandre ny tenin'i Joany ka nanaraka an'i Jesoa. Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe: “Efa hitanay ny Mesia” (izany hoe i Kristy, raha adika). Dia nentiny nankany amin'i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa i dia nanao hoe: “Ianao no i Simôna zanak'i Joany; hatao hoe i Sefasy ianao”, izany hoe, Piera (vato).
Ry kristianina havana, maro ny olona ankehitriny, fa indrindra ny tanora, no toa sahiran-kevitra mitady ny anton'izao fiainana izao, isika aza toa tsy mahita hifaharana indraindray; koa mivavaha mba hahitan'ny olombelona ny lalana tokony hizorany, ary mba hanarahan'ny olona tsirairay ny feon'Andriamanitra miantso azy.
Tompo ô, Ianao miantso anay, ary izahay tsirairay kosa no tokony hamaly ny antsonao araka ny toeranay eo anivon'ny olona rehetra; koa mangataka aminao izahay mba ataovy vonona mandrakariva hanoina ny antsonao ary ho faly manatanteraka ny asa ampanaovinao anay.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao, satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.
Pnfasy: Alahady tsotra I, ohatra.
Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.
Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray, mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.