Asabotsy 19 janoary 2030

Asabotsy Voalohany tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana

Teny amin'ny lanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana no nahitako an'ilay Lehilahy tsaohin'ny Anjely alinkisa amin'ny feo indray mihira hoe: Intý ilay nomena ny fahefana mandrakizay mandrakizay.

Fangatahana

Ry Tompo mora fo ô, henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Sam. 9, 1-4. 17-19 ; 10, 1a.

Boky voalohan'i Samoela

« Io no lehilahy voalazan'ny Tompo antsoina hoe Saola, ary izy no hanjaka amin'ny oloko. »

Nisy lehilahy anankiray avy amin'i Benjamina atao hoe i Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Serora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afià, zanaky ny Benjamita anankiray; lehilahy mahery fo izy io. Nanan-janaka anankiray atao hoe i Saola izy, izay sady mbola tanora no tsara tarehy; tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny zanak'i Israely rehetra, ary nanatombo ny lohany izy amin'ny halavany noho ny olona rehetra. Ary nania ny ampondravavin'i Kisy, rain'i Saola, ka hoy i Kisy tamin'i Saola zanany: Mangalà mpanompo anankiray hiaraka aminao dia mandehana mitady ny ampondra. Dia namaky ny tendrombohitr'i Efraima, ary namaky ny tany Salisa izy, nefa tsy nahita. Ary raha vao nahita an'i Saola i Samoela dia hoy ny Tompo taminy: “Io no lehilahy voalazako taminao, izy no hanjaka amin'ny oloko.” Nanatona an'i Samoela tao am-pamatonan'ny vavahady i Saola nanao hoe: “Aza mahafady, mba atoroy ahy kely ny tranon'ny mpahita.” Dia hoy i Samoela tamin'i Saola: “Izaho no ilay mpahita, miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo, fa hiara-mihinana amiko ianareo anio; rahampitso vao halefako handeha ianao, ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 20, 2-3. 4-5. 6-7.
Fiv.: Tompo ô, ny Mpanjaka mifaly amin'ny herinao.

Tompo ô, ny Mpanjaka mifaly amin'ny herinao, sy miravo aoka izany amin'ny Fandresenao! Izay irin'ny fony omenao ny vavaky ny molony tsy lavinao.
Tsenainao tso-drano mahasambatra izy; ny lohany asianao fehiloha volamena. Ny fiainana angatahiny omenao: dia andro mitandavana mandrakizay.
Lehibe ny voninahiny noho ny Fandresenao: fiandrianana sy laza no arakotrao azy! Ataonao fitso-drano mandrakizay izy, fenoinao hafaliana eo anoloanao.

Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon'ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 2, 13-17
« Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy Izy. Raha nandalo Izy, dia nahita an'i Levi zanak'i Alfe nipetraka tao amin'ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe: “Andeha hanaraka Ahy.” Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota maro niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany; fa maro ireo, ary nanaraka Azy. Nony nahita Azy niara-nihinana tamin'ny poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin'ny Farisianina dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: “Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny poblikanina sy ny mpanota?” Raha nahare izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: “Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay vahoakanao, ka sady hampandroso fahamasinana anay no hampahazo izay angatahinay amim-pitokiana.

Kômonio Sal. 35, 10

Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon'aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, efa nomenao hery tamin'ny Sakramentanao izahay, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie mba hanao izay mahafaly Anao ary hanompo Anao amin'ny toetra mendrika.