Alakamisy 13 septambra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôlôsy
-masina">Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa
Derao Andriamanitra any an-toerany masina! Derao Izy any amin'ny habakabany mahery! Derao Izy noho ny fahefany tsy toha! Derao Izy noho ny halehibeny diso ohatra!
Derao Izy amim-peon'anjomara! Derao Izy amim-baliha sy lokanga! Derao Izy amin'amponga sy dihy! Derao Izy amin-jejy sy sodina!
Derao Izy amim-kipantso-mikarantsana! Derao Izy amin-kipantsom-pamindràna! Ny manana aina rehetra aoka hidera ny Tompo!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 6, 27-38Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an'izay mankahala anareo, misaora an'izay manozona anareo ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na alainy mbamin'ny akanjonao aza. Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.
Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!
Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.