Alarobia 12 septambra 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôlôsy
Ry kristianina havana, raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izay itoeran'i Kristy eo ankavanan'Andriamanitra, no katsaho; ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra ny fiainanareo; fa rahefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo.
Misaotra Anao, isan'andro aho sy midera ny Anaranao mandrakizay. Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra, tsy azo takarina ny halehibeny.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra, misaotra Anao ny mpivavaka aminao! Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.
Ho fantatry ny olombelona anie ny Asanao mahery, sy ny voninahitra ary ny harevaky ny Fanjakanao! Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao, amin'ny taona mifandimby ny fifehezanao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 6, 20-26Tamin'izany andro izany, i Jesoa niatrana nijery an'ireo mpianany, ka nanao hoe: “Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain'ny olona, horoahiny amin'ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'Olona. Mifalia ianareo amin'izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.
Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!
Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.