Alarobia 11 jolay 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.
Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Tamin'izany andro izany, dia tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra, ka nitaraina tamin'ny Faraôna ny vahoaka nitady hanina. Fa hoy i Faraôna tamin'ny Ejipsianina rehetra: “Mankanesa any amin'i Jôsefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.” Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan'i Jôsefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin'ny Ejipsianina izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin'ny tany Ejipta. Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin'ny tany rehetra, hividy vary amin'i Jôsefa, fa nihamafy ny mosary tamin'ny tany rehetra.
Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo! Ihirao hira vao Izy; andredony horaka aman-java-maneno.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan'ny firenena, sy manafoana ny fikasan'ny vahoaka. Ny fanampoizan'ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan'ny Fony, amin'ny taranaka mifandimby.
Indro ny mason'ny Tompo amin'izay matahotra Azy, sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy amin'ny tao-mosarena.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 10, 1-7Tamin'izany andro izany, i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. Ary ireto no anaran'ny Apôstôly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera, dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak'i Zebede sy i Joany rahalahiny, i Filipo sy i Bartelemy, i Tomà sy i Matio ilay poblikanina, i Jakôba zanak'i Alfe sy i Tade, i Simôna ilay Kananeanina, ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy. Ireo ny roa ambin'ny folo lahy izay nirahin'i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: “Aza manaraka ny lalana mankany amin'ny Jentily, ary aza miditra amin'ny tanànan'ny Samaritanina, fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan'ny lanitra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.
Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.
Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.