Talata 10 jolay 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.
Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Tamin'izany andro izany, dia nitsangana andro alina i Jakôba, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraika ambin'ny folo lahy: dia nita tamin'ny fitàna tao Jabaoka izy. Nalainy ireo, nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.
Henoy ny antsoko, ry Tompo! Ekeo re ny tarainako! Mampandria sofina amin'ny tonom-bavako, izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Ny tavanao mamoaha ny rariny ho ahy; ny masonao mahità ny hitsiny. Savao ny foko; tampohy alina aho; manasedrà, fa tsy hahita tsiny!
Miantso aho, ka valio Andriamanitra: anongilano sofina, henoy teny! Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe, ry Ilay Mpamonjy amin'ny fahavalo an'izay mifefy amin'ny tananao!
Ambeno toy ny anakandriamaso aho; afeno ao amin'ny aloky ny elatrao! Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao, hivoky amin'ny endrikao raha mifoha!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 9, 32-38Tamin'izany andro izany, indro nentin'ny olona teo amin'i Jesoa itý lehilahy anankiray sady moana no azon'ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: “Tsy mbola nisy toa izany tamin'i Israely.” Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: “Ny lehiben'ny demony no androahany ny demony.” Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin'ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin'ny mpianany: “Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin'ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin'ny variny.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.
Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.
Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.