Alatsinainy 29 janoary 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin'ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin'ny fiderana Anao!
Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, inona koa no holazaiko. Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin'i Jedeôna, i Baraka, i Samsôna, i Jefte, i Davida, i Samoela, mbamin'ny mpamimany: fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro, niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan'ny liona, namono ny herin'ny afo, afaka tamin'ny lelan'ny sabatra, nositranina tamin'ny aretina, nampiseho herim-po tamin'ny ady, nampandositra ny miaramilan'ny fahavalo; nandraisan'ny vehivavy ny zanany maty voatsangan-ko velona. Ny sasany nampijaliana ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany ny fitsanganan-ko velona tsaratsara kokoa; ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka ary gadra mbamin'ny tranomaizina; notoraham-bato izy, notsofaina, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy, tsy nanana na inona na inona, nenjehina, nampahorina, nefa tsy mendrika ho nitoerany akory izao tontolo izao, nirenireny tany an'efitra izy, sy tany an-tendrombohitra, ary tany an-johy mbamin'ny tany an-dava-tany. Na dia nankalazaina noho ny finoana aza anefa izy rehetra ireo, dia tsy nisy nahazo ny nampanantenaina, fa isika no namboarin'Andriamanitra zavatra tsaratsara kokoa, ka tsy tonga amin'ny fahatanterahana ireo raha tsy mba efa mby eo koa isika.
Akory itý haben'ny hatsaranao izay atokanao ho an'ny matahotra Anao, sy asehonao ny mpifefy aminao eo anoloan'ny zanak'olombelona.
Ny fieren'ny tavanao no anafenanao azy, lavitry ny tetika ataon'ny olona; ny fialofanao no ampierenao azy, lavitry ny lela mpanangana ady.
Isaorana ny Tompo fa nataony nigagana ny hatsaram-pony tamiko tamin'ny andro fahoriana!
Taitra loatra aho, ka loa-bolana hoe: «Voatsipy lavitry ny masonao aho!» Kanjo henonao ny feoko mitaraina, fony izaho niantso Anao.
Tiava ny Tompo, ry mpivavaka rehetra: fa ny Tompo miambina ny mpino; fa ny mpiavona kosa valiany tsy an'erany!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 5, 1-20Tamin'izany andro izany, nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin'ny tanin'i Geraseny; ka vao niala tao an-tsambo kely Izy, dia intý nisy lehilahy anankiray azon'ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy. Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin'ny gadra aza, fa matetika no nafatotra tamin'ny gadra sy tamin'ny rojo vy ny tongony aman-tanany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin'ny vato. Fa nony nahatazan-davitra an'i Jesoa izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, ary niantso tamin'ny feo mahery hoe: “Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin'ny Anaran'Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy”, satria i Jesoa efa nanao taminy hoe: “Mivoaha amin'itý lehilahy itý, ry fanahy maloto.” Ary nanontany azy Izy nanao hoe: “Iza no anaranao?” Dia novaliany hoe: “Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.” Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany. Ary eo akaikin'ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana, ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe: Alefaso izahay ho any amin'ny kisoa mba hiditra ao aminy. Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin'ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao amin'ny ranomasina. Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. Nankany amin'i Jesoa izy ireo, ary nahita an'ilay azon'ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra tery. Nony nolazain'izay nahita tamin'izy ireo izay nahazo ilay azon'ny demony sy ny kisoa, dia nihanta tamin'i Jesoa izy ireo, mba hiala amin'ny taniny. Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy, dia niangavy taminy ilay azon'ny demony mba hanaraka Azy; fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy: “Andeha ihany mody any an-tranonao any amin'ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.” Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, aterinay eto amin'ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.
Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.
Nahazo hery tamin'ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.