Alahady 28 janoary 2029
Fanombohana ny Sorona Masina
SAMBATRA NY MAHANTRA FA AZY NY FANJAKAN'NY LANITRA
Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin'ireo hafa firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin'ny fiderana Anao!
Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Sôfônia Mpaminany
Mitadiava ny Tompo, ianareo manetry tena rehetra amin'ny tany, izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena. Ho tafaaloka angamba ianareo amin'ny andron'ny fahatezeran'ny Tompo! Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray izay hatoky ny Anaran'ny Tompo. Ny sisa amin'i Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga, ary tsy hahitana eo am-bavany intsony izay lela mandainga. Fa hihinana sy handry feizay izy ireo, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.
Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana sy manome rariny izay ampahoriana.
Ilay manome sakafo ny noana, no Tompo mamaha ny mpifatotra, Tompo mampahiratra ny jamba, Tompo mampitràka ny miondrika, Tompo mpiaro ny vahiny, tohan'ny kamboty sy ny tokan-tena.
Tompo tia ny olo-marina, fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin'ny taona mifandimby, ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, jereo ange izato ianareo voaantso e: tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana; fa izay ataon'izao tontolo izao ho adala no nofidîn'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon'izao tontolo izao ho malemy no nofidîn'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary izay iva razana amana faneso amin'izao tontolo izao, dia ny atao ho tsy misy aza, no nofidîn'Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. Fa avy aminy no maha-ao amin'i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika, mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md Matio
Mt. 5, 1-12aTamin'izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy nanao hoe: “Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan'ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an'Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny Fanjakan'ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin'ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra”.
Ry kristianina havana, sambatra isika fa efa nosoritan'i Jesoa Kristy ho antsika ny lalana mitondra amin'ny fahasambarana marina; koa andeha hiara-mivavaka ho an'ny olombelona rehetra mba samy hiezaka hanatanteraka sy hampanatanteraka izany sori-dalam-pahasambarana izany.
Ry Jesoa Tompo ô, nosoritanao amin'ireo hasambarana Valo, izay fiainana tokony hotratrarinay; koa mba ataovy tsaroanay mandrakariva sy harahinay amin-kerim-po ny Teninao, ho antoky ny hasambaranay eto an-tany ka hatrany an-danitra.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, aterinay eto amin'ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Asehoy ny mpanomponao ny Endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.
Nahazo hery tamin'ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao, hampiroborobo mandrakariva ny finoana.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.