Alahady 03 desambra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
AZA REVON'NY AMBANY MASO FA AOKA HO AVO FIJERY
Any aminao, ry Tompo, no anandratako ny fanahiko!
Ianao, ry Andriamanitra, no ifefeko tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin'ny fahavaloko! Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: herezo ny fonay mino Anao mba ho masim-piainana izahay hitsena an'i Kristy Ilay ho avy ary ho mendrika ho tonga eo anilany hahazo ny Fanjakan'ny lanitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Ny teny hitan'i Izaia, zanak'i Amôsa momba an'i Jodà sy i Jerosalema. Izao no ho tonga any amin'ny andro farany: ny tendrombohitry ny tranon'ny Tompo, hatao eo an-tampon'ny tendrombohitra, sy hasandratra ho eo ambonin'ny havoana
Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy, ary firenena maro no ho avy hilaza hoe:“Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo, any an-tranon'ny Andriamanitr'i Jakôba; hampianatra antsika ny Lalàny Izy, ary hizotra amin'ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan'ny tenin'ny Tompo”. Ho mpanelanelana amin'ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin'omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona. Avia, ry taranak'i Jakôba, ka aoka handeha amin'ny fahazavan'ny Tompo isika.
Faly aho raha hoy ireo havako: Ndao ho any an-Tranon'ny Tompo!»
Indro ny tongotray, ry Jerosalema, mijadona eto am-bavahadinao.
I Jerosalema tanàna tsara rafitra, mirindra tsy manan-tsahala natao mba hiakaran'ireo foko, dia ny fokon'i Israely.
Fa didy ho an'i Israely ny mankao mba hidera ny Anaran'ny Tompo Ao no toerana ijoroan'ny fahefana, iorenan'ny fianakavian'i Davida.
Irario «Fiadanana!» i Jerosalema «Fiadanana ho an'ny trano ao aminao!
Fiadanana ho an'ny mandanao! Fiadanana ho an'ny tilikambonao!»
Noho ny havana aman-tsakaizako, hoy aho hoe «Fiadanana anie ho anao!» Noho ny tranon'ny Tompo Andriamanitsika, Avelao aho hirary soa ho anao!
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin'ny fatoriana izao; fa ankehitriny, akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino. Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan'ny maizina. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro, tsy amin'ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana na fialonana; fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin'ny famelomana ny filàny.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 24, 37-44Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao tamin'ny mpianany hoe: “Tahaka ny tamin'ny andron'i Nôe, dia ho tahaka izany koa ny fiavian'ny Zanak'olona. Fa tamin'ny andro nialoha ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan'ny andro nidiran'i Nôe tao amin'ny sambo fiara, ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano, izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fiavian'ny Zanak'olona. Amin'izany, amin'ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray; amin'ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarîna, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray. Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak'andro hiavian'ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamîna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona”.
Ry kristianina havana, izao vaninandro izao no manambara amintsika ny fiadanana sy ny fahazavana entin'i Kristy ho an'izao tontolo izao; koa mangataha amin'Andriamanitra mba horaisin'ny olombelona ankehitriny izany fiadanana sy fahazavana izany.
Tompo ô, asainao miomana izahay handray Anao amin'izao fankalazana ny fahatongavanao voalohany tety aminay izao; koa ataovy tsapanay arakaraka ny maha-akaiky ny Noely, ny fandrosoanay mitsena Anao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, raiso ny fanatitray nofantenana tamin'ny zava-tsoa avy aminao, ka enga anie ny vavakay mba hahasoa anay ety an-tany no sady hampahazo ny fanavotana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ny Tompo no handrotsaka ny soa ka hahabe vokatra ny tany.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hahasoa anay ny mistery nankalazainay fa namboarinao dieny izao ho anay mivahiny eo anivon'ny zava-mandalo mba hankafizanay ny zavatry ny lanitra, ary hifikiranay amin'ny harena maharitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.