Asabotsy 02 desambra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany
Nasehon'ny anjelin'ny Tompo ahy Joany, ny onin-dranovelona mangarangarana toy ny kristaly, nivoaka avy ao amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry, namaky ny kianjan'ny tanàna. Teo an-daniny roa amin'ny ony, dia nisy hazon'aina mamoa indroa ambin'ny folo, dia indray mandeha isam-bolana, ary mandravina fanasitranana ny firenena. Ny ozona tsy hisy intsony; ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho ao an-tanàna; ary ny mpanompony hanompo Azy, sady hahita ny tavany sy hanana ny anarany eo an-kandriny. Tsy hisy alina intsony; ary tsy hila ny fanazavan'ny jiro na ny fanazavan'ny masoandro izy ireo, fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; sady hanjaka mandrakizay mandrakizay izy rehetra. Ary hoy ilay anjely tamiko: “Marina sy mahatoky ireo teny ireo; ary ny Tompo Andriamanitry ny mpaminany no efa naniraka ny anjeliny, mba hanambara amin'ny mpanompony ny zavatra rehetra tsy maintsy ho tonga faingana. — Indro avy faingana aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'itý boky itý.”
Avia! Andeha isika hihoby ny Tompo, hankalaza ny vatolampy famonjena antsika! Andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra, hankalaza Azy amin'antsa!
Fa Andriamanitra lehibe ny Tompo, Mpanjaka manoatra ny andriamanitra rehetra: fa ny fototry ny tany eo an-tanany, ny tampon'ny vohitra Azy koa. Azy ny ranomasina fa nataony; sy ny tanety, fa voatran'ny tanany!
Midira! Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka! Mandohaliha anoloan'ny Tompo nanao antsika! Fa Izy no Andriamanitsika; isika kosa: vahoaka fiandriny, ondry an-tanany. Enga anie ianareo anio ka mba hahahaino ny feony!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 21, 34-36Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tandremo fandrao vesaran'ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo; ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! Fa ho sahala amin'ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin'ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin'izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan'ny Zanak'Olona.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.
Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.