Zoma 24 novambra 2028

Zoma Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.

Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apok. 10, 8-11

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

« Noraisiko ny boky dia nateliko. »

Izaho Joany dia nandre feo avy any an-danitra nanao hoe: “Mandehana alao ny boky kely mivelatra eny an-tanan'ilay anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy ny tany.” Dia nankany amin'ilay anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: “Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao.” Noraisiko ny boky teny an-tanan'itý anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko. Tamin'izay dia nisy nilaza tamiko hoe: “Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa no tsy maintsy mbola haminanianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 14 sy 24. 72 sy 103. 111 sy 131
Fiv.: Endrey! mamin'ny lanilaniko ny didinao.

Ny lalan'ny fanambarànao no ifaliako, mihoatra noho ny harena rehetra. Ny fanambarànao no firavoako; ny fitsipikao no filàko saina.
Soa ho ahy ny Lalàna avy amin'ny vavanao, mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo! Endrey! mamin'ny lanilaniko ny didinao, ary tsara amin'ny vavako manoatra ny tantely!
Ny fanambarànao no lovako, ry Ilay Mandrakizay: Izy no fifalifalian'ny foko! Misokatra ny vavako; miemponempona aho; ny baikonao no mahaliana ahy!

Aleloia. Aleloia.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 19, 45-48
« Ataonareo zohin'ny mpangalatra ny tranon'Andriamanitra. »

Tamin'izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa, dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe: “Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin'ny mpangalatra.” Dia nampianatra isan'andro tao an-tempoly Izy; fa ny lehiben'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty Azy; nefa tsy hitan'izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

Kômonio Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.