Alakamisy 23 novambra 2028

Alakamisy Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.

Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apok. 5, 1-10

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

« Voavono ny Zanak'ondry ka ny Rany no nanavotany antsika. »

Izaho Joany dia nahita teny an-tanana ankavanan'Ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombokase fito. Dia indro, nisy anjely mahery anankiray niantso tamin'ny feo mafy hoe: “Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?” Ary tsy nisy, na tany an-danitra, na tetý an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra sy nahajery azy akory. Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy. Dia hoy ny anankiray tamin'ny Anti-dahy tamiko: “Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny Liona avy amin'ny fokon'i Jodà ny solofon'i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.” Ary hitako, fa indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan'ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak'ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina any amin'ny tany rehetra. Dia tonga Izy ka nandray ny boky teny an-tanan'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana. Nony nandray ny boky Izy, dia niankohoka teo anoloan'ny Zanak'ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan'ny olo-masina izany. Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: “Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny. Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny, mbamin'ny fanjakana sy ny firenena rehetra. Nataonao fanjakana mpisorona ho an'Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etý ambonin'ny tany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b
Fiv.: Nataonao fanjakan'Andriamanitray sy mpisorona izahay.

Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-Piangonan'ny mpivavaka Izy! I Israely aoka hifaly amin'Ilay nanao azy; ny zanak i Siôna hiravo amin'ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin'amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany; ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin'ny voninahiny, sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba ho fankalazana an'Andriamanitra: izany no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!

Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 19, 41-44
« Raha mba nahalala izay hampiadana anao manko ianao. »

Tamin'izany andro izany, nony mby akaiky an'i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe: “Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin'itý andro nomena anao itý ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny. Ka ho avy aminao ny andro hanaovan'ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza, ary hofongorany hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao eo anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.