Talata 14 novambra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Tito
Ry malala, ianao kosa, milazà izay mety araka ny fampianarana marina; amin'ny lehilahy lehibe: mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin'ny finoana sy amin'ny fitiavana ary amin'ny fandeferana; amin'ny vehivavy lehibe kosa: mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin'ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany, hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokantranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin'Andriamanitra. Amporisiho toy izany koa ny tovolahy mba ho hendry, ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin'ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona, marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.
Miantehera amin'ny Tompo; manaova ny tsara; monena amin'ny tany; miraota amin-toky. Eny, ny Tompo, no iravoy: dia homeny anao izay hirìn'ny fonao.
Ny andron'ny madio fantatry ny Tompo; ny lovan'ireny ho mandrakizay. Eo anoloan'ny Tompo no amindran'ny olombelona: izay amin'ny lalana tiany, no ankahereziny.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara, raha tahiny te-haharitra mandrakizay. Ny olo-marina handova ny tany, ary honina eo mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 17, 7-10Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Apôstôliny nanao hoe: “Iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe: 'Metia faingana, ary mipetraha hihinana?' Moa tsy izao aza no holazainy aminy: 'Amboary ny sakafoko, ary misikina hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?' Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy nataony io? Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa ianareo: rahefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: 'Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.'”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.
Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.
Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.