Alatsinainy 13 novambra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Fanombohan'ny Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Tito
I Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apôstôlin'i Jesoa Kristy momba ny finoan'ny olom-pinidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay mahasoa ny fanahy, noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan'ny taona rehetra; fa tamin'ny fotoana voatendry no nampiharihariany ny teniny tamin'ny fitorian-teny izay napetraka tamiko araka ny didin'Andriamanitra Mpamonjy antsika: dia mamangy an'i Tito, zanako malala amin'ny finoana iombonantsika; ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.
Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa dia izao rehetra izao ary izay monina ao. Naoriny ambonin'ny rano izy ireny, napetrany tsara eo ambonin'ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amin'ny Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina? Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy, sy izay tsy mianiana tsy tò amin'ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano; ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin'ireo izay nizaha ny endrik'ilay Andriamanitra Tompo!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 17, 1-6Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza ho an'izay iaviany! Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony ka alentika any anatin'ny ranomasina izy toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin'ireto madinika ireto aza. Koa mitandrema ianareo. Raha diso taminao ny rahalahinao, anaro izy, ka raha mivalo izy, dia mamelà azy. Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: 'Mifona aho', dia mamelà azy.” Ary hoy ny Apôstôly tamin'ny Tompo: “Ampitomboy ny finoanay.” Fa hoy ny Tompo: “Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin'io voaroihazo io hoe: 'Miongota, ka mifindrà any amin'ny ranomasina', dia hanaiky anareo izy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.
Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.
Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.