Talata 07 novambra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Filipy
Ry kristianina havana, manàna izao saina amam-po hita tao amin'i Kristy Jesoa izao: na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin'Izy naka ny fomban'ny mpanompo, ka tonga mitovy amin'ny olombelona sy hita ho olombelona tamin'ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijalina. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin'ny Anaran'i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.
Hanala voady anoloan'ny matahotra Azy aho. Ny ory hihinana ka ho voky; ireo mitady ny Tompo hidera Azy. Veloma ny ainareo mandrakizay mandrakizay.
Ny faran'ny tany hahatsiaro, ka hiverina amin'ny Tompo; ny fiankohonam-pirenena hiankohoka eo anoloany avokoa.
Eny, ny Tompo no manjaka! Izy no mifehy ny firenena! Ireo rehetra matory amin'ny tany hiankohoka aminy.
Ny fanahiko hivelona aminy, ny taranako hanompo Azy. Ny taranaka izay misandratra hilazalazana ny Tompo; ny vahoaka vao ho teraka hanambarana ny Fahamarinany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 14, 15-24Tamin'izany andro izany, nony avy nandre ny tenin'i Jesoa ny anankiray tamin'izay niara-nihinana taminy, dia nanao tamin'i Jesoa hoe: “Sambatra lahy izay hanana anjara amin'ny fihinanam-be any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.” Fa hoy Izy taminy: “Nisy lehilahy anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia naniraka ankizilahy iray izy hanainga ny nasaina hoe: 'Ndeha ianareo, fa efa vonona ny zavatra rehetra.' Fa samy niala tsiny izy rehetra. Hoy ny voalohany taminy: 'Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko e.' Hoy kosa ny faharoa: 'Efa nividy omby folo aho, ka handeha hitsapa azy; koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko.' Ary hoy koa ny anankiray: 'Vao nampaka-bady aho ka tsy afa-mankany.'
Fankalazana ny Eokaristia
Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.
Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.