Alatsinainy 06 novambra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Filipy
Ry kristianina havana, raha mba manana famporisihana ao amin'i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin'ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin'ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, tsy hanao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an'ny namany koa.
Tompo ô, tsy mba miavona ny foko! tsy miandranandrana ny masoko! tsy manenjika zava-baventy aho, na zavatra ambony tsy sahaza ahy!
Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka: toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny: eny, toy ny zaza voky ny fanahiko ato amiko!
Aoka i Israely hatoky ny Tompo hatrizao ka ho mandrakizay!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 14, 12-14Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ilay loholon'ny Farisianina nanasa Azy hoe: “Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain'ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin'ny fitsanganan'ny olo-marina vao hovaliana ianao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.
Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.