Zoma 18 aogositra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Tonga tamiko ny Tenin'ny Tompo nanao hoe: “Ry zanak'olona, ampahafantaro an'i Jerosalema ny fahavetavetany, ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitra amin'i Jerosalema: Ny tanin'ny Kananeanina no niavianao sy nahaterahanao; Amôreanina ny rainao, ary Heteanina ny reninao. Toy izao ny amin'ny nahaterahanao: tamin'ny andro nahaterahanao ianao tsy voatapaka tadim-poitra, tsy voampandro tamin'ny rano hadio, tsy voahosotra sira, tsy voahodidina lamban-jaza. Tsy nisy nijery maso antra anao, ka mba nanao iray akory tamin'ireo fikarakarana ireo, noho ny indrafo anao; fa tamin'ny andro nahaterahanao, dia nariana tany an-tsaha ianao, fa narikoriko anao ny olona.
Ianao Andriamanitra Ray no vonjiko, matoky aho, mijoro fa tsy matahotra! Ny Tompo no hery sy reharehako. Fa Izy no vonjy sy fialofako. Avia àry hanovo amin-kafaliana. Ny vonjin'ny Tompo eo an-doharanony.
Am'izany andro izany samia manezaka. Derao Andriamanitra; antsoy ny Anarany. Torio ny vahoaka ny zava-bitany. Lazao fa tsy takatra hoe ny Anarany.
Ambony ny Tompo ka dia nasehony: lazao an'izany ny vazan-taniny. Ianao, ry Siôna hitotorebika, fa Tompo lehibe Izy sady masina.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 19, 3-12Tamin'izany andro izany, nisy Farisianina nanatona an'i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: “Mahazo misao-bady va ny lehilahy na inona na inona antony?” Dia hoy Izy namaly azy ireo: “Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin'ny voalohany, dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: 'Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny ka hikambana amin'ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?' Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Ka aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'ny olona.” Fa hoy ireo taminy: “Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?” Dia hoy Izy taminy: “Ny hamafin'ny fonareo no nanomezan'i Môizy lalana anareo hisao-bady; fa hatramin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mpijangajanga koa.” Hoy ny mpianany taminy: “Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy manambady.” Ary hoy Izy taminy: “Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon'ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.
Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.