Alakamisy 17 aogositra 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, manao hoe: “Ry zanak'olona, ianao monina eto amin'ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo. Koa fehezo ny fanananao, ry zanak'olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason'izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin'izay itoeranao, ho any amin'ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin'izany, fa taranaka miodina izy. Avoahy antoandro eo imasony ny fanananao, hoatra ny fananan'ny mifindra tany honenana; ary miaingà hariva eo imasony, ianao, hoatra ny fiaingan'ny olona mifindra tany honenana. Gorobahy eo imasony ny manda, dia avoahy eo ny fanananao; ataovy an-tsoroka eo imasony izany, dia ento rahefa ilay maizimaizina iny; saròny ny tavanao, ataovy amin'izay tsy hahitanao ny tany; satria efa nataoko famantarana ho an'ny taranak'i Israely ianao.” Dia nataoko izany, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny fananako, hoatra ny fananan'ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin'ny tanako ny manda nony hariva; navoakako ny fananana rahefa ilay maizimaizina iny dia nolanjaiko teo imason'izy ireo.
Kanjo ireto naka fanahy an'Andriamanitra, nikomy tamin'ny Avo, tsy nitandrina ny Fanambaràny: fa nianòtra sy nivadika tahaka ny razany, sy nifotitra toy ny tsipîka manody.
Nampahatezitra Azy tamin'ny fitoerana-avony, sy nahasaro-piaro Azy tamin'ny sampiny. Nandreny Andriamanitra ka tezitra, ka nariany marimarina i Israely.
Nafoiny ho babo ny heriny, sy ho eo an-tanam-pahavalo ny voninahiny. Natolony ny sabatra ny vahoakany: fa nandroatra loatra tamin'ny lovany Izy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 18, 21-35 ; 19, 1Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa i Piera nanao hoe: “Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin'ny impito va?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Izaho tsy milaza aminao hoe: hatramin'ny impito fa hatramin'ny impitopolo fito. Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin'ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin'ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe: “Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.” Nangoraka ny fon'ilay tompon'izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.
Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.