Alarobia 05 jolay 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.
Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Amôsy Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo: Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo, ka homba anareo ny Tompo, Andriamanitry ny tafika, araka ny lazainareo. Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo, ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny; angamba ny Tompo Andriamanitry ny tafika, dia hamindra fo amin'izay sisa amin'i Jôsefa! Halako sy tsy ahoako akory izay fetinareo, tsy hankamamîko akory ny fiangonanareo. Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo, tsy mankatelina izany Aho; ary izay fisoronanareo zanak'ondry matavy tsy jereko velively. Halaviro Ahy ny finaonaonan'ny hiranareo; aoka tsy ho reko akory izay feon-dokanganareo! Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana; ary toy ny ranon-driaka tsy mety ritra ny fahamarinana!
Mandrenesa, ry oloko, fa hiteny Aho; fa hampamoaka anao Aho, ry Israely: dia Izaho Andriamanitra, Ilay Andriamanitrao.
Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao: na ny sorona doranao izay anoloako lalandava! Ahoako inona izay vantotr'omby ao an-tranonao, na izay osilahy ao am-pahitrao?
Fa Ahy avokoa ny biby any an'ala, sy ny biby any am-bohitra mideza. Fantatro avokoa ny vorona eny an-danitra; ny mihetsika eny an-tsaha dia Ahy koa.
Noana Aho: tsy hilaza aminao: fa Ahy izao tontolo izao sy izay mameno azy. Moa Aho homana nofon'ombalahy, na misotro ran'osilahy?
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko, sy manao ny fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra, sy mpanipy ny Teniko any ivoho.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 8, 28-34Tamin'izany andro izany, nony efa tonga teny am-pita tamin'ny tanin'ny Geraseny i Jesoa, dia nisy lehilahy roa nidiran'ny demony, nivoaka avy tamin'ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany. Ary indreo izy niantso hoe: “Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra? Hampijaly anay alohan'ny fotoana va no nalehanao atý?” Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny, ka nihanta tamin'i Jesoa ny demony nanao hoe: “Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso amin'iretsy andian-kisoa iretsy.” Ary hoy Izy taminy: “Mandehana.” Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin'ny kisoa; niaraka tamin'izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin'ireo olona roa nidiran'ny demony. Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an'i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin'ny faritaniny.
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.