Talata 04 jolay 2028
Fanombohana ny Sorona Masina
Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.
Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Amôsy Mpaminany Amôsy
Ry zanak'i Israely, henoy izao teny notononin'ny Tompo ny aminareo izao, sy ny amin'ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, — dia ny teniny manao hoe: Ianareo irery no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany; ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.
Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao; ny olon-dratsy tsy monina ao aminao; ny adala tsy mijoro eo anoloan'ny masonao; ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.
Ny mpiteny lainga levoninao; ny tia ra, ny mpamitaka, halan'ny Tompo!
Fa izaho, noho ny hatsaram-ponao lehibe, dia hiditra ny Tranonao, hiankohoka ao an-Tempolinao masina, miaraka amin'ireo mpanoa Anao,
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 8, 23-27Tamin'izany andro izany, i Jesoa niondrana tamin'ny sambo kely ka narahin'ny mpianany. Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin'ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory. Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: “Tompoko, vonjeo izahay, fa maty.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?” Dia niarina Izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: “Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.