Asabotsy 06 novambra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, veloma any amin'i Priska sy Akilasy mpiara-miasa amiko ao amin'i Jesoa Kristy; nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin'ny jentily koa, ary veloma any amin'ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony. Veloma any amin'i Epeneto malalako, izay santatr'i Asia ho an'i Kristy. Veloma any amin'i Maria, izay niasa mafy ho anareo. Veloma any amin'i Andrôniky sy Joniasa havako sy niara-nifatotra tamiko, izay sady tsara laza amin'ny Apôstôly no tao amin'i Kristy talohako aza. Veloma any amin'i Anfiasa, malalako ao amin'ny Tompo. Veloma any amin'i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin'i Kristy, sy i Stakisa malalako. Mifampiarahabà amin'ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny Eglizin'i Kristy rehetra. Izaho Tersiosa, izay nanoratra itý taratasy itý koa, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo. Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay, mbamin'ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosa rahalahy. Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika. Amen.
Misaotra Anao isan'andro aho sy midera ny Anaranao mandrakizay. Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra; tsy azo takarina ny halehibeny.
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao, sy mankalaza ny asanao mahery, manambara ny harevaky ny voninahitrao, mitantara ny asanao mahagaga.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra, misaotra Anao ny mpivavaka aminao. Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 16, 9-15Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin'ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo. Izay mahatoky amin'ny kely dia mahatoky koa amin'ny lehibe, ary izay tsy marina amin'ny kely, dia tsy marina koa amin'ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin'ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin'izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny harena ianareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.
Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.