Zoma 05 novambra 2027

Zoma Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 37, 22-23

Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 15, 14-21

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Mpandraharahan'i Kristy Jesoa amin'ny jentily aho, mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily. »

Ry kristianina havana, izaho aloha, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo, sady mahay mifananatra koa. Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho, toy ny mampahatsiaro anareo indray, noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy mba ho mpandraharahan'i Kristy Jesoa amin'ny jentily aho, amin'ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin'Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily, rahefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Fiv.: Naneho ny famonjeny tamin'ireo firenena ny Tompo.

Ihirao antsa vao ny Tompo fa mahagaga ny zava-bitany. Fa tanany no namonjy, nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan'ny firenena ny famonjeny amam-pahamarinany. Mba tsarovy, ry Israely, ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany izato vonjin'Andriamanitra! O ry tany, derao ny Tompo, ka mientàna amin-karavoana!

Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 16, 1-8
« Hendrihendry kokoa ny zanak'izao tontolo izao amin'izy samy izy, noho ny zanaky ny fahazavana. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain'ny olona taminy fa nandany ny fananany. Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: 'Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin'ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.' Tamin'izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe: 'Inona re no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho itý? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan'ny olona ahy any an-tranony rahefa esorina amin'ny raharahako aho.' Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony, ka hoy izy tamin'ny voalohany: 'Ananan'ny tompoko hoatrinona ianao?' Dia hoy io: 'Diloilo injaton'ny barika.' Dia hoy ilay mpitandrina taminy: 'Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.' Dia hoy indray izy tamin'ny anankiray: 'Hoatrinona kosa ny trosa aminao?' Hoy io hoe: 'Vary injaton'ny famarana.' Dia hoy ilay mpitandrina: 'Raiso ny taratasinao, ka soraty valopolo.' Noderain'ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak'izao tontolo izao amin'izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Kômonio Sal. 15, 11

Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.