Asabotsy 30 oktobra 2027

Asabotsy Fahatelopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 105, 3-4

Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Rôm. 11, 1-2a. 11-12. 25-29

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Raha ny fanariana azy no fampihavanana an'izany zavatra izany, hanao ahoana ny fandraisana azy: Tsy ho fitsanganan-ko velona va? »

Ry kristianina havana, moa dia narian'Andriamanitra va ny olony? Sanatria izany! Fa izaho koa dia Israelita, taranak'i Abrahama, sy fokon'i Benjamina, ka tsy narian'Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Koa hoy izaho: Moa dia tafintohina, ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo? Sanatria izany! Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an'ny jentily, mba hahavelom-pialonana an'i Israely. Koa raha ny fahalavoany no tonga herin'izao tontolo izao, ary ny nihenàny no zary haren'ny jentily, hanao ahoana re ny hafenoany? Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry havana, izao zava-miafina izao: nilatsaka amin'ny hajambana ny sasany amin'i Israely, mandra-piditry ny hafenoan'ny jentily. Ary amin'izany dia ho voavonjy avokoa i Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy ao Siôna ny Mpanafaka, ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin'i Jakôba, dia ho tanteraka amin'izany ny fanekena nataoko tamin'izy ireo, rahefa voaesotra ny fahotany. Raha amin'ny Evanjely, dia mbola fahavalo izy noho ianareo; fa raha amin'ny fifidianana kosa, dia malala izy noho ny razany; satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan'Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 93, 12-13a. 14-15. 17-18
Fiv.: Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany.

Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo, sy ampianarinao ny Lalànao, mba tsy hanahiany amin'ny andro fahoriana.
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany, na handao ny lovany, ka ny olo-marina hahazo ny rariny, ny mahitsy fo no handresy lahatra.
Raha tsy ny Tompo no namonjy ahy, poatoizay ilay toera-mangina no ho fonenako! Vao Lasa ny teniko hoe: Mibolisatra ny tongotro! ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy hananty!

Aleloia. Aleloia.
Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 14, 1. 7-11
« Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra. »

Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon'ny loholon'ny Farisianina anankiray i Jesoa dia nitsikilo Azy izy ireo. Ary nony hitan'i Jesoa ny hamaizan'ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao itý fanoharana itý tamin'izy ireo Izy nanao hoe: “Raha asaina amin'ny fampakaram-bady ianao, aza mipetraka amin'ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: 'Omeo an'itý ny fitoeranao', ary amin'izay, dia ho menatra ianao hifindra arý amin'ny fitoerana farany. Fa raha asaina ianao, dia any amin'ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: 'Mandrosoa, ry sakaiza etsy alohaloha kokoa'; amin'izay dia hahazo voninahitra eo imason'izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Kômonio Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.