Zoma 29 oktobra 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, ka tsy mandainga, ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko, fa malahelo mafy aho, ory lalandava ny foko, satria saiky nirìko aza ny ho voaozona ho lavitra an'i Kristy ny tenako, hamonjeko ny rahalahiko izay havako araka ny nofo, dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana; azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny nofo i Kristy, izay ambonin'ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa! Derao Andriamanitra, ry Siôna! Ilay manamafy ny vavahady, miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay, manetsaka anao mena-bary kanto; mandefa ny didiny ho etý an-tany, dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an'i Jakôba, ny didiny aman-tsatany ho an'i Israely! Tsy misy olon-kafa nomeny izany. Ny satany manko nafeniny azy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 14, 1-6Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon'ny loholon'ny Farisianina anankiray i Jesoa, dia nitsikilo Azy izy ireo. Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany. Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin'ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe: “Azo atao ve ny manasitrana amin'ny andro sabata?” Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia noraisin'i Jesoa tamin'ny tanany kosa ralehilahy ka nositraniny ary nalefany handeha, izay Izy vao nilaza tamin'izy ireo hoe: “Raha latsaka amin'ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana na dia sabata aza ny andro?” Fa tsy nanan-kavaly an'izany izy ireo.
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.
Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.
Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.