Talata 31 aogositra 2027

Talata Faharoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 85, 3. 5

Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!

Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Tes. 5, 1-6. 9-11

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika

« Maty ho antsika Izy, mba hahatonga antsika hiara-belona aminy. »

Ry kristianina havana, ny amin'ny andro sy ny fotoana hiavian'ny Tompo, dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo, satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo. Amin'ilay hanaovan'ny olona hoe: “Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany!” iny indrindra no hilatsahan'ny fandringanana tampoka amin'izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin'ny bevohoka, ka tsy afa-mandositra izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 26, 1. 4. 13-14
Fiv.: Matoky aho fa hahita ny hasoan'ny Tompo any amin'ny tanin'ny velona.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy sy tozoiko indrindra, ry Tompo: dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra iainako.
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan'ny Tompo any amin'ny tanin'ny velona. Mahandrasa ny Tompo, marisiha; mahereza fo, mahandrasa ny Tompo.

Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian'ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 4, 31-37
« Fantatro raha Ianao, dia Ilay Masin'Andriamanitra. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan'i Galilea, ka nampianatra ny olona tamin'ny sabata, ary gaga ny olona tamin'ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy. Tao amin'ny sinagôga dia nisy lehilahy azon'ny demony maloto, ka niantso mafy nanao hoe: “Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin'Andriamanitra.” Fa notenenin'i Jesoa mafy izy nataony hoe: “Mangina ary mialà amin'io lehilahy io.” Dia nandavo azy tamin'ny tany teo afovoan'ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory. Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: “Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny.” Ary niely tamin'izany tany rehetra izany ny lazany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Kômonio Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.