Alatsinainy 30 aogositra 2027

Alatsinainy Faharoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 85, 3. 5

Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!

Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Tes. 4, 13-18

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika

« Amin'ny alalan'i Jesoa no hitondran'Andriamanitra ireo nody mandry hiaraka aminy koa. »

Ry kristianina havana, tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin'izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo. Fa araka ny inoantsika an'i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona no hitondran'Andriamanitra an'izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin'ny alalan'i Jesoa. Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin'ny Tompo: Isika izay velona sy tavela ho amin'ny fiavian'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory; fa hisy baiko homena, sy feon'arkanjely, ary feon-trômpetran'Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny tenan'Izy Tompo, ka izay maty tao amin'i Kristy no hitsangana aloha; rahefa izany, hakarina hiaraka amin'izy ireo eny amin'ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka dia ho any amin'ny Tompo mandrakizay isika. Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 95, 1 sy 3. 4-5. 11-12. 13
Fiv.: Tamy ny Tompo hitsara ny tany.

Ihirao hira vao ny Tompo! Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo! Ambarao ny firenena ny voninahiny, ny vahoaka rehetra, ny asany mahagaga!
Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra, mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra! Ny andriamanitr'ireo vahoaka tsinontsinona avokoa; ny Tompo kosa nanao ny lanitra!
Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany, hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy, hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy, hanakora avokoa ny hazo any an'ala.
Mba hitsena ny Tompo; fa tamy Izy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 4, 16-30
« Nirahiny hitory ny teny soa mahafaly amin'ny malahelo Aho ... Tsy misy mpaminany hajaina amin'ny tany nahabe azy. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy, ary niditra tao amin'ny Sinagôga araka ny fanaony tamin'ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin'i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: “Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin'ny mpifatotra sy fahiratana amin'ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan'ny Tompo sy ny andron'ny famaliana.” Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin'ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason'izy rehetra tao amin'ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin'ny sofinareo izany Soratra izany.” Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo: “Tsy ny zanak'i Jôsefa va itý?” Ary hoy kosa i Jesoa taminy: “Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: “Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin'ny tany nahabe Anao koa.” Dia notohiziny hoe: “Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin'ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro ny mpitondratena tamin'i Israely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan'ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin'izy ireo tsy nisy nanirahana an'i Elia na dia anankiray aza, fa tamin'ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin'ny tany Sidôna ihany; ary be koa ny boka tao amin'i Israely tamin'ny andron'i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Kômonio Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.