Alakamisy 22 jolay 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.
Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nivoahan'i Israely tany Ejipta, tamin'izany andro izany, no nahatongavany tany an'efitr'i Sinaia. Efa niala tany Rafidima izy; ary nony tonga tamin'ny efitr'i Sinaia, dia nitoby tao an'efitra; tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'i Israely.
Isaorana indrindra Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny razana.
Isaorana ny Anaranao, fa masina, be voninahitra.
Isaorana indrindra Ianao, an-tempoly be voninahitra.
Isaorana indrindra Ianao, ambony fiketraha-mpanjaka.
Isaorana indrindra Ianao, mahatsinjo ny halalin'ny hantsana.
Isaorana indrindra Ianao, mipetraka ambony Kerobima.
Isaorana indrindra Ianao, manerana tany aman-danitra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 13, 10-17Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?” Namaly Izy ka nanao taminy hoe: “Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy. Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahazo na mahalala; ka tanteraka aminy ilay faminanian'i Izaia manao hoe: 'Handre amin'ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin'ny masonareo, fa tsy hahita; fa ny fon'itý vahoaka itý efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko.' Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.