Alarobia 21 jolay 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.
Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'izany andro izany, niala tao Elima ny zanak'i Israely dia tonga tany an'efitra Sina, anelanelan'i Elima sy Sinaia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana faharoa, taorian'ny nialany tany amin'ny tany Ejipta.
Ninia naka fanahy an'Andriamanitra izy ireo, ka nangata-tsakafo ho an'ny tendany. Andriamanitra va re, hoy izy, hahavonom-panasana atý an'efitra?
Izy nandidy ny rahona eny ambony; ny varavaran'ny lanitra nadanadanany; narotsany taminy ny mana ho sakafony: varin-danitra no nomeny azy ireo.
Mofo Mahery no nohanin'olombelona, vatsy mahahetsaka no nalefany taminy. Nirahiny avy eny an-danitra ny rivotr'Atsinanana; nampiavian'ny heriny ny rivotr'Atsimo.
Hena toy ny vovoka no narotsany ho azy, dia vorona ohatra ny fasi-dranomasina. Nalatsany ireny teo anivon'ny tobiny, ary koa teny manodidina ny lainy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 13, 1-9Tamin'izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina. Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. Ary nilaza zavatra maro tamin'ireo tamin'ny fanoharana Izy nanao hoe: “Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy; ny sasany latsaka tamin'ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy; ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.