Alakamisy 15 jolay 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.
Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'izany andro izany, i Môizy dia nahare ny feon'Andriamanitra avy tao amin'ny zava-maniry milobolobo, ka hoy izy taminy: “Izao àry dia ho any amin'ny zanak'i Israely aho, ka hilaza aminy hoe: 'Irahin'ny Andriamanitry ny razanareo aho ho atý aminareo.' Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?” Hoy Andriamanitra tamin'i Môizy: “Izaho no Ilay Misy. Izany, hoy Izy, no havalinao ny zanak'i Israely: Ilay Misy no naniraka ahy ho atý aminareo.”
Derao ny Tompo! Antsoy ny Anarany! Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony! Tsarovy ny asa mahagaga nataony, ny asany mahatalanjona, ny fitsaran'ny vavany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny: dia ny teny napetrany ho an'ny taranaka arivo: ilay niantorahany tamin'i Abrahama, sy nianianany tamin'i Isaaka.
Nohamaroiny fatratra ny Vahoakany, sy nataony mahery noho ny rafiny. Ny fon'ireto novàny hankahala ny Vahoakany, sy hamely am-pitaka an'ireo mpanompony.
Kanjo nalefany i Môizy mpanompony, sy i Aarôna ilay voafidiny. Ireo no nametrahany ny Famantarany tany an'efitra, sy ny fahagagany tany amin'ny tanin'i Kama.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 11, 28-30Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao hoe: “Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an'ny fanahinareo ianareo; fa mora entina ny jiogako ary maivana ny hazofijaliako.”
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.
Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.
Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.